Discover
Akon'i Gasikara

Akon'i Gasikara
Author: Soa i Madagasikara
Subscribed: 3Played: 73Subscribe
Share
© Tous droits réservés
Description
Podcasts Echos de Madagascar. Paroles des acteurs de la cité et témoignage de la population sur leur vie quotidienne. Akon'i Madagasikara. Tenin'ireo mpisehatra ao amin'ny tanàna sy fijoroana ho vavolomben'ny mponina momban'ny andavanandrom-piainany.
53 Episodes
Reverse
Efa ny Malagasy manerana ny Nosy no mahatsapa fa mafy ny fiainana andavan'andro. Mpitondra Bajaja sy mpandinika ny raharaham-pirenena no milaza ny sationan'ny fahorian'ny vahoaka ao Mandritsara, faritri'i Sofia, izay mahatsapa fa adinon'ny mpitondra. Na izany aza dia miandrandra ny firenenan tan-dàlana ihany ny vahoaka na dia maro aza ireo hetsika maro ataon'ny mpitondra tsy mifanaraka @ izany.
Aiza ho aiza ny fahafahana sy ny fahalalahana misy ho an'ireo mpanao gazety rehefa hamoaka ny vaovao marina eto amintsika. Ny famakafakan'i Hervé RAKOTOZANANY, mpanao gazety sy mpampianatra.
Hatramin'ny fahafantaran'ny Malagasy fa mizaka zo-pirenena frantsay ny Filoha Andry Rajoelina, dia maro ny feo manakiana fa tsy mendrika ny hanamarika ny tsingeri-taona fahatsiarovana ny tolona nataon'ny Malagasy nitaky fahaleovan-tena ny Vazaha (Loharano : KoloTv).
Herisetran'ny mpitandro filaminana sy fanitsakitsahana ny zon'olombelona. Dinika miaraka @ i Andrianjakamahery Hervé, filohan'ny fikambanan'ny mpianatra Oniversite, sy @ i Ramanamiseta Johary Carol, Mpandrindra nasionaly ONDH (Loharano : KoloTv)
Tsy misy fihatsarana ny fiainan'ny mponina eny ambany tanàna rehefa fahavaratra. Miakatra ny rano, mitondra haretina isan-karazany. Hatreto aloha dia tsy mbola ahitana rafi-drasa isorohana izany. Mankony ihany koa ny fitohizan'ny fanotofana tany ataon'ny etsy ambony tanàna (Loharano : KoloTv)
Tsy milamina ny eny Ankazomanga noho ny fahatapahan'ny jiro matetika. Miaina lavitry ny fahadriampahalemana ny mponina. (Loharano : KoloTv)
Naresaka nandritry ny propagandy 2023 ny fizarana jiro eraky ny tanàna. Tsy vahaolana hialana @delestazy io hoy ny mpiara-monina. Nahazo anarana malaza ho Jiro Kapoaka. (Loharano : KoloTv)
Hevitry ny Malagasy mikasika ny kabary nataon'i Andry Rajoelina. An'isan'izany ny fizakany zo-pirenena frantsay. Ahoana ny fahitan'ny eny an-dalambe ny kabary fanadiovan-tena nataony. (Loharano : KoloTv)
Amin’izao vanim-potoana manahirana ny firenena izao dia mametraka fanontaniana vitsivitsy ny Profesora James Ratsima, izay miandry valiny avy amin’ny fitondrana. Mikasika ny fanomanana ny fifidianana eto Madagasikara, miavaka ireo fanomezam-boninahitra fotsiny tsy misy atiny. Manao izany hahazoana seza fotsiny ireo mpanao politika, dia manadino ny vahoaka indray rehefa tafapetraka eo amin’ny seza.
Manamariva ny Profesora Raymond Ranjeva fa zavadehibe ny fampianarana ny Malagasy. Ilaina io iatrehana ny sy hanatsarana ny hoavin'i Madagasikara (Loharano : Midi Madagasikara)
Dinika ataon'i Profesora Raymond Ranjeva mikasika ny toekarena malagasy. Songadiny ahitana fanazavana mahatonga antsika raikitra anaty fahantrana na dia maro aza ireo harena eto @ firenentsika.
Fanazavan'ny Ray aman-dreny, Profesora Raymond Ranjeva, ny fahalementsika Malagasy, izay antony voalohany manakana antsika hivoatra sy handroso. (Loharano : Midi Madagasikara)
Gazety, radio, fahitalavitra ary ankehitriny ny tambazotra sy ny vohikala... ireo fampitam-baovao isan-karazany dia manana toerana lehibe eo amin'ny fiarahamonina sy fahamasinana ny demokrasia. Ahoana ny momba ireo eto Madagasikara ?
Mbola mitohy ihany ny ady amin'ny valanaretina Covid-19. Miverina mihiboka indray ny firenena. Misy fiantrekany amin'ny fiainan'ny tsirairay izany.
Tonga eto Madagasikara ny vakisiny hiarovana amin'ny valanaretina covid-19. Ahoana ny fandraisan'ny tsirairay izany vaovao izany ?
Loharano : Kolo Tv
Loharano : Kolo Tv 2021
Loharano : Kolo Tv 2021
Loharano : Kolo Tv 2020
Loharano : Kolo Tv 2020