Discover
Soa i Madagasikara
Soa i Madagasikara
Author: Soa i Madagasikara
Subscribed: 2Played: 14Subscribe
Share
© Tous droits réservés
Description
Podcasts sur Madagascar proposés par la webradio 100% musiques, cultures et sociétés malgaches. La voix de Madagascar, fière de ses traditions et en harmonie avec la modernité. Fampielezam-peo an-tserasera malagasy, zato isan-jato mozika, kolontsaina ary sosialy. Ny feon'i Madagasikara, mirehareha amin'ny lovan-drazana ary mifanaraka amin'ny zava-maoderina.
75 Episodes
Reverse
Ny demokrasia dia fahefan’ny vahoaka, avy amin’ny vahoaka, ho an’ny vahoaka. Fahefan’ny vahoaka (satria vahoaka masimandidy). Ary avy amin’ny vahoaka (Izay voalazantsika teo hoe mamindra ny fahefana amin’ny olomboafidy amin’ny alalan’ny fifidinana). Fa indrindra ho an’ny vahoaka (Mba ahafahan’ireo mametraka volavolan’asa ho ampandrosoana ny firenena, ho fanasoavana ny vahoaka ao aminy). Arak’izany ny olomboafidy dia natao hitsinjo izay hahasoa ny firenena sy ny vahoaka manontolo.
Ny fanontaniana azontsika tonga dia apetraka avy hatrany dia hoe : Tena mizaka tena ara-pitantanana sy ara-bola araky ny voalazan’ny lalampanorenana tokoa ve ny nondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana sa tsia, fa mbola tsy izay moa ny resaka eto androany. Voalaza ihany koa ao amin’io ndininy faha-139 io fa ny vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana no sehatra eo amin’ny rafi-pitondrana ahazoan’ny olom-pirenena mandray anjara amin’ny fitantanana ny raharaham-bahoaka ary miantoka ny fanehoana izay fahasamihafana misy eo amin’izy ireo sy ny mampiavaka azy.
Ny repoblika voalohany dia ny « Repoblika Malagasy » izay nanana ny teny filamatra : Fahafahana-Tanindrazana-Fandrosoana, nanomboka tamin' ny 14 Ôktôbra 1958 ka hatramin’ ny 30 Desambra 1975. Ny lalàmpanorenana voalohany dia nanan-kery nanomboka ny 29 Avrily 1959. Ny nanambarana ny fahaleovan-tena kosa dia ny 26 Jona 1960
Ny lalàmpanorenana voalohany dia nametraka ny antenimirampirenena sy ny antenimierandoholona.
Resaka momba ny asa sy andraikitry ny solombavambahoaka tapany fahatelo araky ny voalaza ao anaty lalampanorenana manomboka eo amin’ny andininy faha-68 hoe : Ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona no mandrafitra ny Antenimiera. Izy no mandany ny lalàna sy manara-maso ny asan'ny Governemanta ary ny fanaovana tombana ny politikam-panjakana izay efa voalaza tamin’ny fandaharana tapany voalohany.
Efa ny Malagasy manerana ny Nosy no mahatsapa fa mafy ny fiainana andavan'andro. Mpitondra Bajaja sy mpandinika ny raharaham-pirenena no milaza ny sationan'ny fahorian'ny vahoaka ao Mandritsara, faritri'i Sofia, izay mahatsapa fa adinon'ny mpitondra. Na izany aza dia miandrandra ny firenenan tan-dàlana ihany ny vahoaka na dia maro aza ireo hetsika maro ataon'ny mpitondra tsy mifanaraka @ izany.
Noho ny fangatahana fanazavana fanampiny momba ny asa sy andraikitry ny solombavambahoaka avy amintsika mpihaino, dia nasiana tapany faharoa ity fandaharana ity. Tokony ho tankintsika ihay koa ny mangarahara mahakasika ny fampiasana ny tetibola izay tantanan’izy ireo fa tsy solombavambahoaka hihinana ny volambahoaka akory no ifidianana azy ireo sanatrian’ny vava. Fa solombavambahoaka hitondra ny hetahetambahoaka sy hanasoa ny farimpianan’ny vahoaka izay nifidy sy nametraka ny fitokisana tamin’izy ireo. Mazava fa olona hampandany ny lalàna hampiharina eto amin’ny firenena no ilaintsika.
Fandaharana izay hanaovana fitaizana olom-pirenana araky ny fampahafatarana izay efa natao, eto amin’ny radio Soa i Madagasikara. Ny fanontaniana izay hezahintsika ho valiana amin’ity fandaharana voalohany ity dia ny hoe : « Mba fantatrao ve » ny asa sy andraikitry ny solombavambahoaka araky ny voalaza ao anaty lalampanorenana ?
Aiza ho aiza ny fahafahana sy ny fahalalahana misy ho an'ireo mpanao gazety rehefa hamoaka ny vaovao marina eto amintsika. Ny famakafakan'i Hervé RAKOTOZANANY, mpanao gazety sy mpampianatra.
Fandaharana izay hanaovana fitaizana olom-pirenana izay anasana antsika olompirenena rehetra mahatsapa fa manana adidy sy andraklitra amin’ny mpiaramonina sy ny mpiarabelona satria ny fahalalana dia harena.
Raha vao miresaka an’i Madagasikara isika dia anatin’ny saina avy hatrany ny teny hoe « Firenena » ; izany ahenoana ny teny « Reny ». Anio isika dia hiezaka ny hamaritra ny toe-tsaina sy ny fitondran-tena ary ny toeran'ny Vehivavy eto eo @ fiaraha-monina malagasy. Aina ny Vehivavy Malagasy, satria mampita, mitondra ary miaro izany eo anivon’ny ankohonany sy ny mpiara-belona aminy. Ravaka ihany koa satria mampiseho ivelany ny hakantony, ny halefahany, ary azo lazaina koa fa maneho ny maha SOA an’i Madagasikara.
Tohin'ny fandaharana miresaka ny tahanisa vitsivitsy momba an'i Madagasikara. Toa ny fitomboan'ny mponina sy ny toerana misy ny tanora eo an'inivon'ny fiarahamonina malagasy.
Amin’ity fandaharana ity dia itodika kely ny momba ny tahanisa vitsivitsy isika izay novinanian’ny famatsiam-bola iraisam-pirenena, ho an’ity taona efatra ambin’ny roapolo sy roa arivo ity. Isa manome hanampy antsika hisafidy ny lohahevitra aroso eto.
Fandaharana omentsika anarana hoe « Fatambary » toy ilay kapoaka ampiasaina andavanandro, ilaina rehefa hanokona vary. Ilaintsika tokoa ny mandrefy sy mandanjalanja ny antony maro mahatonga ny firenena toa izao na an-kasoavana na an-karatsiana izany. Fandaharana hanasana antsika rehetra handray anjara tsy am-pihafahafana. Fandaharana mizara sy mampita hatrany ary maneho fa tena kanto sy soa tokoa i Madagasikara. « Vary vokatr’i Betsimitatatra, ka na tompony na tsy tompony, samy mitazana avokoa ». Koa dia manasa antsika rehetra hiara-hitazana sy hanaraka ity fandaharana vaovao atolotra eto ity.
Hatramin'ny fahafantaran'ny Malagasy fa mizaka zo-pirenena frantsay ny Filoha Andry Rajoelina, dia maro ny feo manakiana fa tsy mendrika ny hanamarika ny tsingeri-taona fahatsiarovana ny tolona nataon'ny Malagasy nitaky fahaleovan-tena ny Vazaha (Loharano : KoloTv).
Herisetran'ny mpitandro filaminana sy fanitsakitsahana ny zon'olombelona. Dinika miaraka @ i Andrianjakamahery Hervé, filohan'ny fikambanan'ny mpianatra Oniversite, sy @ i Ramanamiseta Johary Carol, Mpandrindra nasionaly ONDH (Loharano : KoloTv)
Tsy misy fihatsarana ny fiainan'ny mponina eny ambany tanàna rehefa fahavaratra. Miakatra ny rano, mitondra haretina isan-karazany. Hatreto aloha dia tsy mbola ahitana rafi-drasa isorohana izany. Mankony ihany koa ny fitohizan'ny fanotofana tany ataon'ny etsy ambony tanàna (Loharano : KoloTv)
Tsy milamina ny eny Ankazomanga noho ny fahatapahan'ny jiro matetika. Miaina lavitry ny fahadriampahalemana ny mponina. (Loharano: KoloTv)
Naresaka nandritry ny propagandy 2023 ny fizarana jiro eraky ny tanàna. Tsy vahaolana hialana @delestazy io hoy ny mpiara-monina. Nahazo anarana malaza ho Jiro Kapoaka. (Loharano : KoloTv)
Maro ireo resabe tato ato mikasika ny filoha Andry Rajoelina. Anisan'izany ny fizakany zo-pirenena frantsay. Ahoana ny fahitan'ny eny an-dalambe ny kabary fanadiovan-tena nataony. (Loharano : KoloTv)
Amin’izao vanim-potoana manahirana ny firenena izao dia mametraka fanontaniana vitsivitsy ny Profesora James Ratsima, izay miandry valiny avy amin’ny fitondrana. Mikasika ny fanomanana ny fifidianana eto Madagasikara, miavaka ireo fanomezam-boninahitra fotsiny tsy misy atiny. Manao izany hahazoana seza fotsiny ireo mpanao politika, dia manadino ny vahoaka indray rehefa tafapetraka eo amin’ny seza.













