Akon'i Gasikara

Podcasts Echos de Madagascar. Paroles des acteurs de la cité et témoignage de la population sur leur vie quotidienne. Akon'i Madagasikara. Tenin'ireo mpisehatra ao amin'ny tanàna sy fijoroana ho vavolomben'ny mponina momban'ny andavanandrom-piainany.

Mafy ny fiainana ao Mandritsara

Efa ny Malagasy manerana ny Nosy no mahatsapa fa mafy ny fiainana andavan'andro. Mpitondra Bajaja sy mpandinika ny raharaham-pirenena no milaza ny sationan'ny fahorian'ny vahoaka ao Mandritsara, faritri'i Sofia, izay mahatsapa fa adinon'ny mpitondra. Na izany aza dia miandrandra ny firenenan tan-dàlana ihany ny vahoaka na dia maro aza ireo hetsika maro ataon'ny mpitondra tsy mifanaraka @ izany.

06-02
02:37

Ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety

Aiza ho aiza ny fahafahana sy ny fahalalahana misy ho an'ireo mpanao gazety rehefa hamoaka ny vaovao marina eto amintsika. Ny famakafakan'i Hervé RAKOTOZANANY, mpanao gazety sy mpampianatra.

05-04
03:16

29 Marsa 1947

Hatramin'ny fahafantaran'ny Malagasy fa mizaka zo-pirenena frantsay ny Filoha Andry Rajoelina, dia maro ny feo manakiana fa tsy mendrika ny hanamarika ny tsingeri-taona fahatsiarovana ny tolona nataon'ny Malagasy nitaky fahaleovan-tena ny Vazaha (Loharano : KoloTv).

03-29
05:47

Herisetran'ny mpitandro filaminana

Herisetran'ny mpitandro filaminana sy fanitsakitsahana ny zon'olombelona. Dinika miaraka @ i Andrianjakamahery Hervé, filohan'ny fikambanan'ny mpianatra Oniversite, sy @ i Ramanamiseta Johary Carol, Mpandrindra nasionaly ONDH (Loharano : KoloTv)

02-21
04:03

Miakatra ny rano eny ambany tanàna

Tsy misy fihatsarana ny fiainan'ny mponina eny ambany tanàna rehefa fahavaratra. Miakatra ny rano, mitondra haretina isan-karazany. Hatreto aloha dia tsy mbola ahitana rafi-drasa isorohana izany. Mankony ihany koa ny fitohizan'ny fanotofana tany ataon'ny etsy ambony tanàna (Loharano : KoloTv)

01-26
01:48

Tsy fahandriampahalemana vokatry ny jiro tapaka

Tsy milamina ny eny Ankazomanga noho ny fahatapahan'ny jiro matetika. Miaina lavitry ny fahadriampahalemana ny mponina. (Loharano : KoloTv)

01-18
02:28

Tsy vahaolana ny Jiro Kapoaka

Naresaka nandritry ny propagandy 2023 ny fizarana jiro eraky ny tanàna. Tsy vahaolana hialana @delestazy io hoy ny mpiara-monina. Nahazo anarana malaza ho Jiro Kapoaka. (Loharano : KoloTv)

12-23
01:15

Ny Malagasy sy ny kabary Rajoelina

Hevitry ny Malagasy mikasika ny kabary nataon'i Andry Rajoelina. An'isan'izany ny fizakany zo-pirenena frantsay. Ahoana ny fahitan'ny eny an-dalambe ny kabary fanadiovan-tena nataony. (Loharano : KoloTv)

07-18
02:48

Profesora James Ratsima mametraka faontaniana

Amin’izao vanim-potoana manahirana ny firenena izao dia mametraka fanontaniana vitsivitsy ny Profesora James Ratsima, izay miandry valiny avy amin’ny fitondrana. Mikasika ny fanomanana ny fifidianana eto Madagasikara, miavaka ireo fanomezam-boninahitra fotsiny tsy misy atiny. Manao izany hahazoana seza fotsiny ireo mpanao politika, dia manadino ny vahoaka indray rehefa tafapetraka eo amin’ny seza.

06-30
01:17

Profesora Ranjeva sy ny fampianarana

Manamariva ny Profesora Raymond Ranjeva fa zavadehibe ny fampianarana ny Malagasy. Ilaina io iatrehana ny sy hanatsarana ny hoavin'i Madagasikara (Loharano : Midi Madagasikara)

09-23
01:49

Profesora Ranjeva : ny toekarena malagasy

Dinika ataon'i Profesora Raymond Ranjeva mikasika ny toekarena malagasy. Songadiny ahitana fanazavana mahatonga antsika raikitra anaty fahantrana na dia maro aza ireo harena eto @ firenentsika.

08-31
02:48

Profesora Ranjeva manazava ny fahalementsika Malagasy

Fanazavan'ny Ray aman-dreny, Profesora Raymond Ranjeva, ny fahalementsika Malagasy, izay antony voalohany manakana antsika hivoatra sy handroso. (Loharano : Midi Madagasikara)

07-29
01:55

Ny vaovao sy ny mpanao gazety

Gazety, radio, fahitalavitra ary ankehitriny ny tambazotra sy ny vohikala... ireo fampitam-baovao isan-karazany dia manana toerana lehibe eo amin'ny fiarahamonina sy fahamasinana ny demokrasia. Ahoana ny momba ireo eto Madagasikara ?

06-14
03:07

Fiboahana sy fiantrekany @ adavan'andro

Mbola mitohy ihany ny ady amin'ny valanaretina Covid-19. Miverina mihiboka indray ny firenena. Misy fiantrekany amin'ny fiainan'ny tsirairay izany.

05-22
04:18

Vakisiny Covid-19

Tonga eto Madagasikara ny vakisiny hiarovana amin'ny valanaretina covid-19. Ahoana ny fandraisan'ny tsirairay izany vaovao izany ?

05-10
01:57

Fisaorana Malagasy

Loharano : Kolo Tv

01-11
02:46

Fananana Iombonana

Loharano : Kolo Tv 2021

01-05
03:29

Tratry ny taona vaovao

Loharano : Kolo Tv 2021

01-04
02:15

Very ny kolontsaina malagasy

Loharano : Kolo Tv 2020

12-19
04:12

Vahaolana @ Rano sy Jiro

Loharano : Kolo Tv 2020

12-16
02:49

Recommend Channels