Discover
AriraVavy
AriraVavy
Author: Rasoa
Subscribed: 4Played: 5Subscribe
Share
© Rasoa
Description
Tonga soa eto amin'ny AriraVavy :podcast malagasy hanomezana sehatra ny tontolo manodidina ny maha vehivavy sy maha reny . Ny vehivavy tsirairay dia manana tantara azo zaraina. Ndao ary hiaraka amiko, Rasoa, amin'ity sehatra vaovao ity . Mihainoa finaritra o !
Welcome to AriraVavy: a space where we celebrate the stories of women, weaving together the threads of womanhood, motherhood, culture, and identity. Every woman has a story, and every mother carries a legacy. Join me, Rasoa, as we embark on today’s journey of discovery, connection, and empowerment.
Welcome to AriraVavy: a space where we celebrate the stories of women, weaving together the threads of womanhood, motherhood, culture, and identity. Every woman has a story, and every mother carries a legacy. Join me, Rasoa, as we embark on today’s journey of discovery, connection, and empowerment.
58 Episodes
Reverse
MG : Ity fandaharana vaovao ity dia miresaka momba ny fandaharan'asa ho an'ny tanora, ny fahaizana ilaina amin'ny fitadiavana asa, ary ny paikady amin'ny fampiasana ny tambajotra sosialy amin'ny fandraisana mpiasa miaraka amin'ny Najaina Tovohasimbavaka. Hevitra maro no nivohitra tao anatin'ny resadresaka toy ny : Fandaharan'asa ho an'ny tanora sy fahaiza-manao: Ny lanjan'ny "soft skills" sy "hard skills" amin'ny fitadiavana asa , ary ny maha zava-dehibe ny tsy hanajanonana izany amin'ny fandraisana mpiasa.Fandresena ny fahasahiranana sy fampivoarana tena: Ny fomba hiatrehana ny fandavana matetika, ny "syndrome de l'imposteur", ary ny maha zava-dehibe ny "networking", ny fisainana tsara, sy ny fampivoarana ny tena.Dans ce nouvel épisode, avec Najaina on a discuté des programmes d'emploi pour la jeunesse, de l'évaluation des compétences clés lors du recrutement et des stratégies d'utilisation des réseaux sociaux pour accroître la visibilité professionnelle.Plusieurs points clés ont été abordés notamment: Programmes pour les jeunes et compétences: Mise en avant de l'importance de combiner les compétences techniques (hard skills) et les compétences comportementales/relationnelles (soft skills), souvent sous-estimées dans les processus de recrutement malgré leur fort impact.Défis professionnels et développement: L'importance de conserver une perspective positive pour surmonter les rejets répétés et le syndrome de l'imposteur, tout en s'appuyant sur le développement personnel et le réseau professionnel.
MG : Amin'ity fizarana ity dia mandray an’i Voniary isika. Topazantsika maso ny niandohany tamin'ny taona 2016, izay nanosika azy hanaitra ny hambom-pon'ny Malagasy sy hanefy ilay antsoina hoe "toe-tsaina mpandresy" mba hireharehana amin'ny tany, ny teny ary ny tantara. Miresaka momba ireo hetsika nataony eo amin'ny fampiroboroboana ny teny Malagasy ihany koa isika, toy ny "Teny Gasy 2.0", ary ireo fampiofanana sy fifaninana nanomboka tamin'ny 2019. Hodinihintsika ny fanamby amin'ny fampianarana ny teny gasy manoloana ny teny Frantsay ofisialy sy ny fanatontoloana. Tsy latsa-danja amin'izany ny fampivoaran-tena amin'ny alalan'ireo boky nosoratany tahaka ny "Raiso an-tanana ny fiainanao" sy ny "Kahie Mpandresy". Hovelabelarina eto ny fomba fiatrehana ny dona sy ny fanakianana, ny maha tompon'andraikitra feno amin'ny fiainana, ary ny hery ao anatin'ny teny miabo isa-maraina. Ary farany, hijery ny vina ho an'ny ho avy , ny politikan'ny teny, ary ireo soa fanararaotra tokony hojifain'ny tanora.FR: Dans cet épisode, nous retraçons le parcours fascinant de Voniary. Nous revenons sur ses débuts en 2016, nés d'une volonté d'éveiller la fierté Malagasy, de valoriser la culture et de cultiver un véritable état d'esprit de vainqueur . Nous plongeons au cœur de ses initiatives pour la promotion de la langue Malagasy, notamment à travers "Teny Gasy 2.0" ainsi que les formations et ateliers lancés depuis 2019. Nous discutons des défis de l'enseignement du Malagasy face au français officiel et à la mondialisation. L'épisode aborde également le développement personnel à l'aide de ses livres comme "Raiso an-tanana ny fiainanao". Nous parlons de la guérison des traumatismes, de la manière de surmonter les critiques, et de l'importance des affirmations positives quotidiennes pour devenir acteur de sa propre vie. Enfin, nous explorons la politique linguistique de demain et les opportunités à saisir pour la jeunesse Malagasy.
MG: Ao anatin'ity fizarana vaovao amin'ny saison Entre-nous ity, dia hiaraka hahafantatra bebe kokoa an'ilay andriambavilanitra ao ambadik'ireo anarana hoe Loilufy sy Minimialista isika.Maro ny resaka novelabelarina ary anisan'izany :Ny maha-izy ny tena : Niresaka malalaka momba ny fahatsapany ho "neurodivergente" izy, ireo dona (trauma), ary ny fomba niatrehany ny fahasahiranana teo amin'ny rafi-pampianarana noho izay .Fahaiza-mamorona sy fahasalamana ara-tsaina : Nodinihinay ny rohy akaiky misy eo amin'ny fahaiza-mamorona sy ny fahasalamana ara-tsaina ("santé mentale"). Notsindriany fa samy manana izany talenta izany avokoa ny rehetra raha mahay maka aingam-panahy amin'ny zava-misy manodidina.Tontolon'ny fandraharahana : Ny tantaran'ny niforonan'ny Minimialista, marika mivarotra fonon-ondana landy izay natao hitondra vahaolana ara-pahasalamana (fisorohana ny mony sy ny fahatapahan'ny volo, fanatsarana ny torimaso) ary mampifandray izany amin'ny haingo trano "interior design".Fiainan-tokatrano sy ny vatana : Ny fahitany ny fiainam-baovaony ao anatin'ny fanambadiana vao haingana, ary ny fivoaran'ny fomba fijeriny ny vatany sy ny bika aman'endriny nandritra ny taona maro.Ny maha-vehivavy ankehitriny : Fandinihana lalina momba ny fiainan'ny vehivavy, ireo zavatra andrasan'ny fiarahamonina izay sarotra zakaina,Fizarana feno fahatsorana ity, natao ho an'ireo mitady aingam-panahy eo amin'ny fanorenana ny asa sy ny fifandraisana !FR: Dans ce nouvel épisode de la saison Entre-nous, nous plongeons dans l'univers de la femme qui se cache derrière les noms Loilufy et Minimialista.À travers une conversation intime, notre invitée se livre à cœur ouvert sur son parcours :Identité et vulnérabilité : Elle aborde son rapport à la neurodivergence, les traumatismes passés et la manière dont elle a surmonté un complexe d'infériorité lié au système académique.Créativité et santé mentale : Nous explorons comment la créativité est liée à la santé mentale et à la gestion des attentes « deadlines ». Elle nous rappelle que l'inspiration est partout et que tout le monde possède une part de créativité.L'aventure entrepreneuriale : Découvrez la genèse de Minimialista, sa marque de taies d'oreiller en soie, pensée pour lier design d'intérieur, bienfaits pour la santé (hygiène, prévention de l'acné et de la casse des cheveux) et qualité du sommeil.Vie personnelle et acceptation : De sa nouvelle vie de jeune mariée à la conciliation de son individualité, en passant par l'évolution de son image corporelle face aux diktats de la beauté.Être femme aujourd'hui : Une réflexion profonde sur la condition féminine, les attentes sociétales difficiles à porter, et ce qu'il a fallu « désapprendre » pour devenir soi-même.Un épisode riche en sincérité, parfait pour celles et ceux qui cherchent l'inspiration pour construire leurs projets et leurs relations avec authenticité !
FR : Et si le problème n'était pas que tu n'aimes pas assez ton enfant mais que la connexion s'est effritée sans que tu t'en rendes compte ?Dans cet épisode, je reçois Agnès, fondatrice de Maman Imparfaite, une communauté malgache dédiée à une parentalité plus consciente. Mère solo depuis la naissance de sa fille, elle a longtemps vécu dans la honte avant de choisir de se montrer. On parle de la différence entre aimer son enfant et être connecté à lui. De ce que le consentement veut vraiment dire au quotidien. De pourquoi l'éducation bienveillante peut devenir culpabilisante, et ce qu'on met à la place. Et surtout, de cette question qui change tout : dans vingt ans, est-ce que ton enfant viendra te voir parce qu'il en a envie, ou parce qu'il s'y sent obligé ?Un épisode honnête, sans jugement, pour toutes celles qui essaient de faire autrement sans toujours savoir comment.MG: Ary ahoana raha tsy hoe tsy ampy fitiavana ny zanakao no olana fa ny fifandraisana no efa nihena nefa tsy tsapanao akory?Amin'ity fizarana ity, mandray an'i Agnès aho, mpanorina ny Maman Imparfaite, vondrom-piarahamonina malagasy natokana ho an'ny fitaizana feno fahatsiarovan-tena kokoa (parentalité consciente). Reny mitaiza irery hatramin'ny nahaterahan'ny zanany vavy izy, ary niaina ela tao anaty henatra talohan'ny nisafidianany hiseho. Miresaka ny fahasamihafana eo amin'ny fitiavana ny zanaka sy ny fananana fifandraisana lalina aminy izahay. Ny tena hevitry ny fanekena (consentement) eo amin'ny fiainana andavanandro. Ny antony mety hahatonga ny fitaizana malefaka (éducation bienveillante) hamorona fahatsapana ho meloka indraindray sy izay azo hasolo izany. Ary indrindra indrindra, ity fanontaniana manova ny zava-drehetra ity: afaka roapolo taona, ho avy hamangy anao ve ny zanakao satria tena te hanao izany izy, sa satria mahatsiaro ho voatery fotsiny?Fizarana iray tena mahitsy, tsy misy fitsarana, ho an'ireo rehetra izay manandrana fomba hafa nefa tsy voatery mahafantatra foana ny fomba hanaovana izany.
MG : Nanoratra ny bokiny voalohany izy satria nihevitra fa efa ho faty, ary lasa boky baoritra (board book) voalohany indrindra navoaka teto Madagasikara izany.Amin'ity fizarana ity, miresaka amin'i Valisoa aho, mpanoratra boky ho an'ny ankizy, reny manan-janaka roa, ary ilay vehivavy mangina manangana nofinofy hanokatra trano famakiam-boky sy fivarotam-boky eto Madagasikara. Miresaka momba ilay boky nateraky ny harerahana tafahoatra sy ny fanontanian'ny zaza telo taona iray izahay ("Neny a, inona no dikan'ny hoe 'tiako ianao'?"), ny fomba nanokafan'ny fitaizana zanaka ny fony ho mpanoratra, ary ny tena fepetra ilaina mba hamoronana sy hamoahana boky ho an'ny ankizy.Lalindalina kokoa ny resakay momba ny lohahevitra iray izay hanohina ny fon'ny vehivavy Malagasy rehetra, na aiza na aiza misy azy eto amin'izao tontolo izao: inona moa no dikan'ny fampitana ny kolontsaina sy ny fitenintsika amin'ny taranaka mandimby, raha isika tenany aza mbola eo am-pikarohana ny tena dikan'ny hoe maha-Malagasy? Tsy misy valiny mora eto fa vehivavy roa fotsiny no mieritreritra amin'ny feo avo, miaraka amin'ny fahasoavana lehibe.Mizara torohevitra azo ampiharina ho an'ireo maniry ho mpanoratra ihany koa i Valisoa, ny fomba fijeriny ny famakiana boky amim-pikasana ho fomba hifehezana ny tena, ary fampahatsiahivana iray tena nanohina sy mavesatra: olombelona natao hiaina sy hahatsapa ianao (human being), fa tsy milina fotsiny natao hamita asa (human doing).FR: Elle a écrit son premier livre parce qu'elle pensait mourir et c'est devenu le tout premier livre cartonné pour enfants jamais publié à Madagascar.Dans cet épisode, je m'entretiens avec Valisoa, autrice malgache de livres pour enfants, mère de deux enfants, et la femme qui construit discrètement son rêve d'ouvrir une bibliothèque et une librairie à Madagascar. Nous parlons de ce livre né d'un épuisement professionnel et de la question d'un enfant de trois ans (« Maman, qu'est-ce que ça veut dire "Je t'aime" ? »), de la façon dont la maternité l'a profondément révélée en tant qu'écrivaine, et de ce qu'il faut vraiment pour donner vie à un livre pour enfants.Nous explorons aussi en profondeur un sujet qui résonnera chez chaque femme malgache, où qu'elle soit dans le monde : qu'est-ce que cela signifie de transmettre notre culture et notre langue à la génération suivante alors que nous cherchons nous-mêmes encore à définir ce que signifie être malgache ? Pas de réponses faciles ici juste deux femmes qui réfléchissent à voix haute, avec beaucoup de grâce.Valisoa partage également des conseils pratiques pour les écrivains en herbe, sa philosophie sur la lecture intentionnelle comme forme d'autorégulation, et un rappel percutant : vous êtes d'abord un être humain avant d'être défini par ce que vous faites.EN: In this episode, I sit down with Valisoa, Malagasy children's book author, mother of two, and the woman quietly building a dream to open a library and bookstore in Madagascar. We talk about the book that was born from a burnout and a three-year-old's question ("Mommy, what does 'I love you' mean?"), why motherhood cracked her open as a writer, and what it really takes to bring a children's book to life.We also go deep on something that will resonate with every Malagasy woman, wherever she is in the world: what does it mean to pass our culture and language to the next generation when we ourselves are still figuring out what it means to be Malagasy? No easy answers here just two women thinking out loud, with a lot of grace.Valisoa also shares practical advice for aspiring writers, her philosophy on intentional reading as a form of self-regulation, and a reminder that landed hard: you are a human being before a human doing.








