Podcast RJL : Réflexion | Justice | Liberté

Chaîne podcast de la page facebook RJL qui apporte des réflexions en matière de spiritualité. [CA] = Catéchisme d'adulte [HP] = Hono ho'aho pasteur, anciennement "Dinidinika mahasoa", "Tsetsatsetsa tsy aritra" [QZ] = Quizz - Questions/Réponses

[MD] NY "DIVORCE"

Rediffusion CHRONIQUE DU MIDI TIK TOK du 25 Août 2025 mikasika ny DIVORCE.

08-25
01:29:43

[HP] NY TOERAN'NY TEOLOJIANA NA NY FIVAVAHANA MANOLOANA NY RAHARAHAM PIRENENA

Averimberin'ny olona matetika foana ny hoe: ny TEOLOJIANA na PASTEUR na MPITANDRINA dia eny amin'ny pilopitra no asany fa tsy tokony hiditra amin'ny raharaham-pirenena. Lazaina hoe ny ARAM-PANAHY IHANY no andraikitry ny mpitondra fivavahana fa aleo hijanona ho amin'ny Mpanao politika ny resaka politika . Hadinon 'ireo miteny an'izany fa ny mpitondra fivavahana dia olom-pirenena, miaina anaty fiaraha monina sy firenena fa tsy hoe mitsingevana na miaina eny amin'ny habakabaka. Sahala izany koa ireo kristiana izay milaza fa ny paradisa sy lanitra no katsahiny fa tsy ny fiainana ety amin'izao tontolo izao ka dia tsy miraharaha izay resaka politika sy eto antany hono fa ny any andanitra ihany. Lasa tsy mipeha-tany intsony ny tongotra fa maniditsidina eny amin'ny rahona miandry zany paradisa izany . Tsy mahagaga raha ataon'ny Mpanao politika mifandimby fitaovana foana ny fivavahana satria hain'izy ireo tsara Ramalagasy sy ny fitiavana miangona sy manao amen amin'izay mahafinaritra ny sofiny. Ny teolojian'i BONHOEFFER manoloana ny fiainampirenena no karazana boussole hitondrako ny reflexion anio, fa TSY MAINTSY MI S'IMPLIQUER AMIN'NY RAHARAHAM-PIRENENA NY TEOLOJIANA, NY KRISTIANA fa tsy hoe TOKONY na hoe MAHAZO fa tena TSY MAINTSY.

07-04
01:43:17

[CA] DE L'ENFANT ROI À L'ENFANT DIEU

Tsy misy tsy mikaikaika amin'izao fotoana izao ny ray amandreny manoloana ny fanabeazany ny zanaka.Mivadika ny globy ankehitriny fa marobe ny raiamandreny lasa baikon-janaka sy matahotra mafy ny zanany. Ilay zaza chouchouté mpanjaka kely no indro mivadika ho ENFANT DIEU (tsy refesin-mandidy).Tandremo fa tsy mahasoa na ho anareo raiamandreny ary indrindra indrindra ho an'ny zanakareo ny ENFANT DIEU.

05-30
01:53:22

[CA] ANDRIAMANITRY MOSESY sy ANDRIAMANITRY SPINOZA

Niniana nafangaro foana hatrizay ny hoe : ireo Religions Monthéistes ( silamo, judaites, ary kritsiana). Noterena natao ihany koa ny atao hoe : ASSIMILATION hoe finoana Judéo Christianisme. Hany ka ny raisonnement de base mihitsy no nentina nanaovana ny analyse phénoménologique ny finoana kristiana ni -identifiena amin'ireo religions roa monotéhistes voalaza etsy ambony (silamo, judaiste).Hany ka tsy mahagaga raha DISO tanteraka ny fahalalana handraisana ny concept hoe : DIEU amin'ny kristiana raha mitaha amin'ireo finoana hafa ireo.Koa dia erreur fondamentale ny hitarafana ny concept DIEU kristiana miainga avy amin'ny fijerin'ireo finoana monothesite (izay nokianin'i Spinoza)

05-02
01:51:21

[HP] "EFFICACE" ianao "APPRÉCIÉ (mamy hoditra na mahafinaritra ny olona fotsiny)" eo anivon'ny FIARAHA-MONINA, FIRENENA misy anao ?

Ny mpino dia lazain'ny Soratra Masina ho FAHAZAVANA sy FANASINA. Io fahazavana io anefa manelingelina satria mampibaribary zavatra maro, nefa koa manampy ny olona hahita tsara ny lalan kombany. Ity fampianarana anio ity dia hampisongadina bebe kokoa ny paradoxe hiainan'ireo izay tena FAHAZAVANA.Tonga amin'ilay fitenenana hoe "Ils sont à la fois détestés mais nécessaires". Koa eo indrindra no sarotra amin'ny safidy eo amin'ny mpino eny na tsy mpino koa aza, ka : - Na ianao "apprécié" (tian'ny olona sy mamy hoditra fotsiny fa tsy mitondra fanovana lalimpaka eo amin'ny FOTOMPISAINAN'NY FIARAHAMONINA akory ny fisianao ary tsy misy impact eo amin'ny fiaraha monina ny ataonao fa mijanona amin'ny hoe TIANY FOTSINY sy MAHAFINARITRA azy dia zay - Na ianao "detesté" fa misy impact na manazava ny zones d'ombres rehetra. Ny efficacité mantsy dia manambara ny marina sy manazava ny tokony ho fantatra saingy mazana dia tsy tian'ny olona henoina fa manelingelina azy donc normal ianao ho halan'ny olona saingy any afara anefa rehefa tena tojo situation tsy azo hiodivirana izy dia ampiasainy ihany iny amin'izay fotoana izay satria tsapany na dia nodiany fanina fotsiny aza fa iny ihany no mety sy efficace.

04-04
01:54:53

[CA] LE TRIO DU MAL (le MAL, le mal, le Malin)

Avy aiza ny RATSY (Le Mal) ?Iza no nahatonga ny faharatsiana (le mal) ?Ary ao anatin'izany mahay manararaotra Ilay Ratsy (le Malin). Ireo zavatra telo ireo mifangaro sy mifangojo amintsika ka mahatonga ilay fanontaniana miverimberina foana hoe "Raha nisy Andriamanitra maninona no misy ny ratsy?"Ndao ho resahana ny fifandraisan'ireo sy ny fahasamihafany.

03-21
01:46:27

[HP] MALEDICTION FAMILIALE HOE ? ( OZONA ?)

Nisesisesy be tato ho ato ny fanehoan-kevitr'ireo influenceuses sy mpikirakira facebook mahakasika ny amin'ny fisian' ny MALEDICTION FAMILIALE ( OZONA ) ; izany hoe hifandovana isaky ny taranaka mifandimby Ilay izy.Koa dia mba hitondra ny analyse ihany koa ny pejy RJL miainga avy amin'ny rélfexion scientifique sy théologique.Ny position tananay mantsy dia misy fototra sy loharanony LOJIKA avokoa izay mety hiseho eo amin'ny fiainan'ny olona iray fa tsy voahangy latsaka na tora bato avy any andanitra akory ( zavatra mystique ) . Ny hialana amin'ny fatalité sy déterminisme izay indrindra no anjara birikinay eto.

02-28
02:02:22

[CA] FANASITRANANA NY RATRAN’NY LASA / FANASITRANANA NY FARASISAN’NY HELOKA NATAO

Izao fandaharana izao dia hanampiana antsika ho afaka eo ambany vahoan'ny farasisan'ny lasa sy ireo takaitra napetrany ao amitsika ka lasa mamatotra sy manandevo antsika. Tsy azo ovana tokoa ny lasa fa azo atao tsara anefa ny miala amin'ny farasisan'ny lasa. Asaina manokana ireo mpiandry sy mpitandrina fa mety amitsika rehetra koa ny hizarana ny fomba hiatrehana sy hanampiana ireo olona izay mijaly noho ny lasany ka manaloka azy ireo lalandava.

02-21
02:00:43

[HP] TSY MODELY HO HALAIN TAHAKA AHO (Je ne suis pas un modèle, ni un exemple à suivre)

Dradradraina foana ny hoe : isika no MODELY arahin'ny olona. Principe nalaina avy amin'ny "développement personnel" (la dynamique du groupe). Nahoana ny finoako sy ny fitomboako ara panahy no hampanankinako amin'ny olona ?Tsy manao dia ana kanakana (manaradrenirano) ve izany ka izay compteny any vidiny hoy ny fiteny, izay hiafaran' Ilay olona no hiafaranao zany ?Loooooza raha zany no hiseho !Ny mimétisme sy exemplarité dia misy aspects hafa mihitsy izay tokony hotanana fa tsy arak'izay everantsika azy mihitsy.

02-07
01:35:31

[CA] JESOSY ARA TANTARA Vs JESOSY ARAKY NY FINOANA (Jésus historique ET / OU Jésus de la foi)

Resabe foana ny hoe angano, noforonina izany Jesosy izany. Eo ihany koa ny mpino Kristiana manasaraka ny Jesosy ara tantara amin'ny hoe Jesosy araky ny finoana, hany ka lasa toy ny angano ka tsy mahagaga raha tsy misy fototra historika fa lasa finoana mitsingevaeva eny amin'ny habakabaka. Matoa tonga nofo Izy dia tena ilaina ny fampifandraisina ny notion Jésus historique amin'ny Jésus de la foi.

01-31
01:53:45

[HP] NY FIANDRIANAN'ANDRIAMANITRA (Souveraineté) MANOLOANA NY POUVOIR POLITIQUE

Tian'ny mpanao politika loatra ity andinin-tsoratra masina ity ka dradradrainy mandrakariva, izay manao hoe : "Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin'Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin'Andriamanitra."

01-17
01:03:12

[CA] VISION ANTHROPOLOGIQUE MOMBA NY FAHAFATESANA

NY FAHAFATESANA (Lohahevitra tsy firesaka firy satria tabous rahateo; kanefa heverinay fa tena mila hidirana mihitsy fa misy CROYANCES lalim-paka izay misy fiantraikany eo amin'ny fifaneraserantsika amin'ny ra fahafatesana mihitsy aza ) . Ny nahazatra antsika hatrizay dia naseho ho OZONA ka tsy mahagaga raha lazaina fa tora bato avy any an-danitra ka toy ny miaina eo ambanin'ny atao hoe épée damoclès mandrakariva raolombelona . Koa ny hitondrana ny fanazavana anio dia amin'ny alalan'ny VISION ANTHROPOLOGIQUE SUR LA MORT. Biby fampitahorana ve izany sa inona ny fahafatesana ? Ary ny lehibe indrindra amin'izany izay mifandray aminy koa dia ny fiheverantsika ny atao hoe OLOMBELONA manoloana izany.

01-10
01:34:38

[HP] HATRAIZA NY TSIPIKA MENA EO AMIN'NY FIAINAM PIRENENA SY NY FIVAVAHANA ?

Ity lohahevitra ity dia efa ela no saika hovelarina eto niainga avy amin'ny trangam piaraha monina maro ; kinanjo mifanojo amin'ilay resaka farany nahabe resaka ny maro teo tamin'i filohan'ny FJKM sy solontenam panjakana iray. Koa heveriko fa ilaina ny miditra en profondeur mahakasika ity resaka ity ka tsy hotavela amin'ny tora po politika sy ny tora po pivavahana fotsiny ihany. Les extremes sont toujours dangereux hoy ny fitenenana. Lectures miainga avy amin'ny zava niseho teo amin'ny tantaran'ny reforma no hitondrana ny analyse, nanoloana ny REVOLTE DES PAYSANS.

12-27
01:06:22

[CA] MIARA MAMINDRA AMIN'ANDRIAMANITRA (INTIMITE AVEC DIEU)

Lohahevitra maningana azo kilasiana ho mistika izao lohahevitra izao. Miainga avy amin'ny fandinihana ireo tranga maningana voaresaka ao amin'ny Soratra Masina atao hoe HAPAX LEGOMENON. Nandalovan'ny teolojiana fotsiny mantsy ireo hapax ireo kanefa Dia tena IMPORTANT satria matoa io ao dia MISY DIKANY. Izaho manokana dia mahaliana ahy izany , ka nanankinako ny spiritualité-ko. Fifaliana ho ahy ny hizara amintsika azy eto ho an'izay mety ho liana te hanana "qualité de relation" ho amin'ny fifaneraserany akaiky amin'Andriamanitra; izay lazaiko hoe INTIMITÉ DE DIEU.

12-13
01:30:54

[HP] WERAWERA SA VONJY AINA ? IZA NO LAHARAM-PAHAMEHANA, IZAY MAHAFINARITRA NY MASO SA IZAY MAMELONA NY AINA ?

Tsy mpahay toekarena akory aho fa olontsotra ihany kanefa tokony ho fatatry ny vahoaka ny zavatra miandry azy eo amin'ny lafiny toekarena araka ny voalazan'ny LOI DE FINANCE 2025 (LFI 2025). Tsy natao ho an'ny économistes irery angamba ny voalaza ao anatin'izany fa natao ho an'ny vahoaka rehetra (toy ny baiboly izay tsy natao ho an'ny teolojiana irery) kanefa toa lasa very anjavony amin'ny resaka teknika izany nefa dia ny vahoaka izay tsy mahalala na inona na inona no hizaka sy hibaby izany. Koa solotenan'ireo vahoaka madinika aho mba niezaka namaky io LFI 2025 io noho izany dia hilaza ny hevitro aho mba ho ren' izy ireo izay tokony ho fatany. Mapametram-panontaniana ihany mantsy ny hiandry antsika miankavy amin'ny 2025 raha arak'io LFI io.

11-22
01:40:46

[HP] NY HO AVIN'NY FIANGONANA ?

Tsy mahamenatra na mampatahotra ahy ny miantsoantso mandrakariva fa ny taranaka ankehitriny dia vavolombelon'ny "fin d'un cycle de vie" n'nyFiangonana. Izaho dia tsy mihambahamba mihitsy fa ny INSTITUTIONALISATION vokatry ny cléricalisme no fositra naha lasa "coquille vide" ny Fiangonana ankehitriny ka na dia mijoalajoala sy mameno stade sns aza izy ireny dia KIPANTSONA VARAHINA MANENO sisa. Mahatsara zavatra anefa izany fa raha tsy levona ny voambary tsy hahavokatra izy. Mialoha ny hahaterahan'ny zazakely iray dia tsy maintsy mandalo fanaintainana mafy. Eo amin'izay "phase" , izay mihitsy ny fahitako ny zava misy ankehitriny.

11-01
01:42:23

[CA] NY FAHASOAVANA MITAHA AMIN'NY FAHOTANA FOTOTRA

Fanontaniana miverimberina fametraky ny olona nyhoe : ny fahotana ve lovaina sa mifindra manaranaka ? Raha i Adama sy Eva no nanao ny nataony dia izahay aty afara ve no mizaka ny tsy eran'ny aina ? Mba rariny ve hoe Adama no nanota dia isika no mibaby ny vokany ? Lalim-paka loatra ny fahavoazana mahavoa ny olombelona ka tsy misy lalana hafa ankoatry ny FAHASOAVANA IRERY IHANY.

10-25
01:29:55

[HP] FARASISANA FINOANOAM-POANA TAVELA AO AMIN'NY FIVAVAHANA KRISTIANA

Matoa nisy izany REFORME DEUTERONOMIQUE nataon'i Mpanjaka Josia izany dia satria mbola namofompofona SYNCRETISME (fampifangaroana finoana roa samihafa tsy afaka mikambana mihitsy). Sarotiny ery isika mampianatra ny Didy voalohany , nefa eo anivon' ireo olona heverina fa sarotiny ny amin'izany indrindra no mbola TENA mampifangaro zavatra izay tena tsy AFAKA NY HIFANGARO mihitsy. Koa eto dia ialanay tsiny mialoha sahady fa na dia œcuménique aza aho dia tsy afaka hi- cautionné zavatra izay TSY AZO EKENA mihitsy. Ary toy izany koa na dia TENA ZANAKY FIFOHAZANA koa aza aho dia tsy afaka ny hangina fotsiny koa amin'ny fombafomba lokoina ho mistery nefa mbola tena fara sisana finoanoam poana.

09-27
01:27:08

[QZ] Questions/Réponses : 20 sept. 2024

1 - Mety sa tsy mety ny fanaovana jeu de hasard am piangonana ? Resaka tombola ilay izy hanohanana vokatra 2 - Kristiana ny tenako ary nanana havana akaiky maty miisa telo tao anatin'ny 20 volana. Ny fanontaniako dia izao : Famindram-pon'A/tra ny tombon'andro sy ny fahasalamana azontsika isan'andro. Ka rehefa ilay mifoha maraina, marary dia maty avy eo ve dia midika fa tapitra @ tsika ny famindram pon'A/tra ? 3 - za olona tsy mpivavaka Sady tsy Liana amin'ilay fivavahana saingy nisy vidéo nataonao tato sendra nandalo ny masoko izay nahasarika ahy nahatonga ahy nanaraka ny pejinao . Esoriko izay resaka Jesosy Dia izay mety amiko aloha no raisiko hatreto . Na zany aza Dia manana fanontaniana Kely za hoe raha tena Misy zany Atra zany, raha tena fitiavana tokoa izy, Nahoana no misy olona teraka mahatra, miaina mahatra, Maty mahatra ? Nahoana no asiany n aretina ? Ny fahafatesana ? Ny hiaran'ny tsy rariny ? Angaha tsy azony SAKANANA izany ?

09-20
01:27:15

[CA] FAHAMAINANA ARA-PANAHY (SECHERESSE SPIRITUELLE) na LES NUITS DE LA FOI

Misy fotoana rehefa tena tafalatsaka ao anaty ady sarotra ny olona iray dia tsy mahare tsirony intsony ny fihainoana sy famakiana ny Soratra Masina ary koa tsy mahatonona vavaka intsony fa resy tanteraka. Amin'iny fotoana iny dia mametra-panotaniana ny tenany ny maro manao hoe : tratry ny fihemorana ve aho ? sy hoe VERY VE NY FINOAKO ( J'ai perdu ma foi ) ? Mangony fotsiny ny fanararaotan'ny devoly sy ny famendrofendron'ny mpiara-mivavaka. Io vanimpotoana io no atao hoe : SÉCHERESSE SPIRITUELLE na Ilay lazain'ny teolojiana hoe : LES NUITS DE LA FOI. Mbola misy antenaina ve ny iverenan'ny FINOAKO sa tsia ?

09-13
01:31:56

Recommend Channels